« Sans le regard des enfants, que serait le monde ? »
« Un jour de grand vent, alors que je me trouvais à bord d’un taxi-brousse sur une piste défoncée non loin de Fianarantsao, j’ai fait la connaissance de « Grand-mère », ma voisine de droite qui dodelinait de la tête au rythme du passage du véhicule dans les ornières du chemin ».

C’est l’histoire d’un rêve, le rêve de Lila, une petite fille débrouillarde et espiègle, le rêve d’une fillette comme il en existe des milliers à Madagascar…
« Les fruits de la route » en malgache
Voandalana
Atolotra ny zazavavy kely malagasy sy Clarisse
Nitsoka mafy ny rivotra tamin’’io andro nandehanako taksiborosy tamin’ny lalan-dratsy iray tsy lavitra an’i Fianarantsoa io, tamin’io koa no nahalalako an’i « Bebe » izay nipetraka teo ankavanako, nidoladola nanaraka ny fitontontonton’ny fiara tamin’ny lalan-dratsy ny lohany.Vaky pne ilay taksiborosy ka najanon’ny mpamily teo amoron-dalana ary nohararaotinay izany mba hanatsotsorana ny tongotra teo am-piandrasana ny fanamboarany azy.Tamin’izay indrindra i « Bebe » no nanao tantara iray mahafinaritra mbola tsy afaka an-tsaiko mandrak’androany. Tsy tantaran’olona mahery fo nahavita zava-mahatalanjona akory izany tamin’izy nifanandrina tamina biby masiaka.Tsia, mifanohitra amin’izany mihitsy aza, tsy misy zavatra mitranga akory ato amin’ilay tantara satria nofy ny tantaraina, nofin-jazavavikely iray tahaka ny zazavavikely an’arivony maro hafa eto Madagasikara.
Zazavavikely mahay mikarataka sy fetsifetsy kely i Lila. Nosy lehibe iray any amin’ny Ranomasimbe Indiana no misy azy, ao atsimo-atsinanan’i Afrika, 400 kilometatra miala ny morontsiraka mozambikana.Io nosy io, nosy maminy loatra, dia antsoina hoe « Nosy Mena » na koa « ilay Nosy be », Ireharehan’i Lila ery ny taniny ! Nahoana tokoa moa, ny nosiny no fahefatra amin’ny nosy lehibe indrindra eran-tany aorian’i Groënland, Nouvelle-Guinée ary i Bornéo : Tsy zavatra tsy misy dikany izany ! Tsy tena avy any afovoan-tany izy saingy araka ny eritreriny sy ny an’ny mpiara-monina aminy dia ny tanànany izay any anivon-tany no foiben’ny nosy satria tao no nahitany masoandro.
Tsy ny fireneny akory no mampiavaka an’i Lila, na dia tena kanto tokoa aza izy io, fa ny toetrany.Tian’i Lila daholo tokoa mantsy rehefa mety ho zavatra mikodiadia rehetra : ny saretin’ny fianakaviana mpanao saribao any ambanivohitra, ny bisikileta efa antitra fa mbola mafy be, ny fiarakodia mangozohozo sy mitrentrena, fa indrindra indrindra ny bisy. Tian’i Lila be mihitsy ny bisy, ny mpandeha mifatratra miaraka amin’ny akoho amam-borona’ sy ny gonim-bary, ny fofona maherin’ny hatsembohany mifangaro amin’ny an’ny lasantsy. Ny niafarany dia lasa nofinofiny mihitsy ny ho tonga mpamily taksiborosy indray andro any. « Tsy asam-behivavy anie izany e ! », hoy ny ankizilahy lahy taminy.Tsy maninona, tsy laitra nakisoka i Lila, rehefa lehibe izy dia hitondra taksiborosy. Mahazo miteny izay tiany hotenenina ny ankizilahy, mahazo mananihany azy izy raha tiany, fa ny azy efa fantany tsara ny tiany : te hianatra mitondra fiarakodia izy, te hamily taksiborosy izy.
Tsy maintsy lazaina aloha fa tsy mora velively ny lalana any Madagasikara. Misy lalam-be vitsivitsy vita tara ahafahan’ny fiarakodia mampifandray an’ Antananarivo, renivohitra.amin’ny faritra atsimo na ny moron-tsiraka, fa ny sisan’izay dia lalan-tany tsy voakarakara miolokolika mananika tendrombohitra mampifandray ny tanàna any ambanivohitra, mitoka-monina, mangingina. Misy lalan-tany sasany tsy azo aleha mandritra ny vanim-potoana voafetra : amin’ny fotoanan’ny orana, rehefa misy andro ratsy na rivodoza, dia manjary sakelidrano mamotaka tsy afaky ny fiarakodia intsony ny lalana. Mampidi-doza ny mbola manandrana handeha eo ihany !
Fa tsy mampatahotra an’i Lila izany satria heveriny fa hampalahelo loatra ny fiainana raha toa ka samy hitokona any amin’izay misy azy daholo ny olona rehetra. Be dia be ny tanàna sorisorena any anebakeban-tendrombohitra any, be dia be ny lalan-tany oriory fa tsy misy mpijery, be dia be ny hazo tsy mahita mpandalo na oviana na oviana !
Marina aloha fa mandeha tongotra ny olona. Mandeha tongotra lavitra tokoa izy, tsy misy fotoanany fa na mafana na mangatsiaka, na avy orana na mandrivotra, na midanika ny andro na manjombona. Miala amin’ny tanàny izy dia mankany amin’ny iray hafa amin’ny andro tsena, miloloha sobika feno entana. Rehefa mijery azy ireny avy eny an-davarangana i Lila dia ampitahainy amin’ny vitsika miasa mafy mitanjozotra ary manitikitika ny lamosin’ny tendrombohitra. Raha manongilan-tsofina izy, mifantoka, dia reny ny fitokelaky ny tendrombohitra satria, hoy ianareo, vehivavy ngeza be saro-kibokibo anie ireny tendrombohitra ireny ary tiany ery raha haokaorina ny lamosiny. Fa tsiambaratelo tsy azo lazina na amin’iza na amin’iza izany a !
Tamin’izy feno fito taona nanaovan’i Lila ny akanjony tsara indrindra, ilay fitondrany mankany am-piangonana rehefa alahady. Dia nasainy norandranin’i Mbola mpifanolobodirindrina aminy koa ny volony. Tsara randrana ery ilay volony ngita sady voaravaka lasitika madinika maro loko ka moa va izy tsy toy ireny zanak’andriana ireny. Tsy niahotrahotra mihitsy izy ary nanambara ho fantatry ny ray aman-dreniny fa izy dia ho mpitondra takisiborosy. Tafatsambikina hatrany amin’ny valindrihana ny ray aman-dreniny : « Ahoana a ! Tsy lasa izany ! Asa mampididi-doza izany ho an’ny vehivavy ! », hoy ry zareo nihiaka. Tsy nanala velively ny ahiahin’izy ireo izy fa mainka koa nataony tsapany fa efa tapaka ny heviny ary tsy hiverina amin’izany intsony izy. « Inona ny antony andehanana tongotra isan’andro mankany am-pianarana, ny ianarana mamaky teny sy manoratra ary manisa raha tsy ny mba hahafahana mifidy izay fiainana tiana hiainana ? »
I Lila mantsy, angamba efa tsikaritrareo, tsy mba karazan’olona azo entina amin’ny lohany. Tsy izany mihitsy fa raha vao azony atao dia asehony foana ny mampiavaka azy ary izay eritreretiny dia lazainy mafy tsy mihambahamba. « Izy aloha malama vava e », hoy ny ray aman-dreniny momba azy. Fa ity kosa tafahoatra loatra mihitsy !Tsy te handre resaka bisy ry zareo, na fahazoan-dalana hamily fiara, na lalana amboarina, na tetezana hokojakojaina.Tsia, tena tsy asam-behivavy ary tsy anjarany ny mieritreritra ireny olana ara-pitaovana manahirana ireny. Fa mbola misisika ihany i Lila ary namalivaly azy ireo, dia tezitra ny ray aman-dreniny nony farany : « Tsy te handre anao miresaka momba izany intsony izahay ! Hanao toy ny zazavavy rehetra ianao, hanambady dia hiteraka ary ampy dia ampy izay ! »
Feno fito taona androany i Lila, ary toy izay ny tsingerintaonany ho andro fety dia io indray no lasa nanjombona indrindra tamin’ny androm-piainan-keliny rehetra. Toa potika ilay nofinofiny noho ny di-dohan’ny manodidina azy. Fa na ny namany any am-pianarana, na ny anadahiny sy ny rahavaviny dia samy nanaraby azy daholo. Tsy maintsy ataony veloma ve ny nofinofiny mba tsy hanarabiana azy intsony ? Fa dia tena hafahafa tokoa ve ity Lila e ?
Natory i Lila, feno ny fony, torovana ny fony voatery hiady amin’ny latsalatsa sy ny fandavan’ny ray aman-dreniny. Resin-tory ihany izy nony farany, torimaso nikorontana. Io alina io dia ireny olana ireny no nameno ny nofiny ; Hitany ny tenany hodidinina lolo maro loko be dia be izay manidintsidina mitabataba manodidina azy sady manakona ny masony tsy hahita ny faravodilanitra. Ny ampitso maraina rehefa taitra izy dia tapa-kevitra ny handeha hijery ny renibeny izay mipetraka lalana adiny roa an-tongotra avy eo amin-dry zareo.Tsy mianatra androany fa sabotsy, ary amin’izao fahavaratra izao dia efa voaketsa ny vary. Tsy manan-katao izy anio. Rehefa avy nantsaka izy dia lasa nankany amin’ny raibeny sy renibeny.
Vantany vao tonga izy, mbola sempotra fa nihazakazaka foana teny an-dalana, dia niditra nialokaloka tao an-trano sady nikiakiaka hoe : « Bebe ! Te ho tonga mpitondra takisiborosy aho ! » Falifaly ny renibeny dia nitsiky malefaka taminy : « O ry Lila a, mba hevitra hafa kely kosa ny anao ! Fa tsy ho tanteraka izany faniriana izany raha tsy fantatrao mazava izay antony manosika anao hanao azy. Ka lazao ahy àry nahoana ianao no te hitondra bisy ? »
« Bebe a, rehefa mandeha eny an-dalana aho dia mandeha miaraka amiko koa ny hevitro. Miraka amiko tahaka ny olon-dehibe izy, miresaka amiko. Mitombo miaraka amiko ny hevitro rehefa mandroso aho. Rehefa tsy mihetsika aho dia tsy mihetsika koa ny hevitro. Mampitombo ahy ny hevitro ary izaho kosa mampitombo ny hevitro. Bebe a, te hianatra zavatra maro be aho, tiako ho fantatra daholo ny momba ny fiainana rehetra. Mba hahafahan’ny hevitro manaraka ahy dia tokony handeha haingana sy lavidavitra kokoa izahay, tsy ampy ahy intsony ny tongotro, toy izany koa itony sombin-dalan-tany itony ! Izany no mahatonga ahy te hitondra bisy.Ho lasa lavitra aho, hitondra olona be dia be, ary hitombo miaraka aminy koa ny heviny. »
« Oh ! Tena mahaliana mihitsy izany, ry Lila ! Nofinofy tena tsara izany koloinao izany.Rariako ianao hahatafita hatramin’ny farany ny eritreritrao ka hampamony hevitra zavon-tany manodidina anao ! »
Sambatra ery i Lila afaka niresaka tamin’ny renibeny. Nahandriny vomanga izy mba hakany aina sy hanazavany ny heviny hatrany amin’ny farany. Fantatry ny renibe tsara mantsy fa zava-dehibe ny famelana ny ankizy hilaza izay fikasany, ny famelana azy hametra-panontaniana, hanambara ny ahiahiny, hilaza ny zavatra tsy isalasalany.Ny tenin’ny ankizy dia hazavana kely arehitra amin’ny alina ka ahafahan’ny olon-dehibe mahita ny lalan-kombana. Raha tsy misy ny mason’ny ankizy re ho tahaka ny inona moa ity tany ity ? Tena marina loatra ary feno nofinofy, raha tsy misy haitraitra sy sangisangy mantsy ity tany ity dia ho lasa tahaka ny orinasa lehibe mpanamboatra vola fotsiny. Nefa na ilaina aza ny vola tsy dia tena izy loatra akory no mahavelona raha dinihina, fantatry ny rehetra loatra izany, sa tsy izany ?
I Lila moa mankafy dia mankafy ny vomanga, ny renibeny kosa mandinika azy am-pitiavana. Hoy izy anakam-po : « Vavikely miaina ny zava-misy i Lila. Tsy mataho-maso mena izy ! Feno hevitra mitombina sy firariam-pahasambarana ho an’ny manodidina azy ny fony. Tsy azo tapahina ny rantsana tanora toy itony, tsy azo sarahina amin’ny ranonkazo mamelona ny ainy. Mainka koa aza i Lila tokony hijoro amin’ny maha izy azy ka ho lasa vehivavy matanjaka, vehivavy tsy azon’iza na iza terena hanao zavatra tsy tiany.» Noho izany dia vonona izy hampirisika azy ka hanampy azy hanatanteraka ny nofinofiny.
Nataon’ny renibeny teo am-pofoiny i Lila dia nobitsihiny mora tao an-tsofiny hoe : « Lila, misy tsiambaratelo holazaiko anao. Ity tsiambaratelo ity no hanome anao hery hahafahanao manatanteraka ny nofinofinao rehetra.» Nanjelatra ny mason’i Lila. Efa nampita ilay hery voalaza tany aminy sahady ny feo malefaky ny renibeny.. Dia hoy ny renibeny nanohy ny teniny : « Arakan y fomba malagasy, ny olona avy lavitra tafaverina ao an-tanàny dia mitondra « voan-dalana » ho an’ny havana aman-tsakaizany.Tsy misy tsy tsindrian-daona ny ao an-tanàna miandry ny fahatongavan’izay avy lavitra. Ny sasany manantena voankazo, ny sasany vatomamy na mofomamy. Amin’ny ankapobeny aloha dia zavatra bitika kely « tsy dia mankaiza », ohatra ny tsy misy dikany. Nefa misy heviny lehibe ireny mari-pifankatiavana ireny satria ny fifampizarana dia fomba iray hampandraisana anjara amin’ny dia ireo izay tsy mba afaka mandeha… »
« Bebe a ! Bebe ! hofenoiko zavamamy ny ahy ny takisiborosiko amin’izay ny mpandeha rehetra dia samy ho afaka mitondra zavatra hoan’ny olon-tiany daholo ! » Nitsiky ny renibeny : « Malala-tanana ianao ry Lila ! Fa ny tena mamelona ny fifankatiavana indrindra dia ny teny sy ny fomba enti-manolotra ny fanomezana. Na ho mamy ao am-bava aza ny vatomamy dia hangidy ao am-po raha tsy atolotra am-pitsikiana. Ny vatomamy atolotra miaraka amin’ny teny feno fanajana sy fitokisana an’ilay olona tolorana, io vatomamy io dia ho levona ao am-bava fa hamela tsirom-pahasambarana ao am-ponao. Noho izany, rehefa mitondra ny takisiborosinao ianao dia tsy maintsy makakarakara ny mpandehanao rehetra. Manamora ny fivezivezeny ianao ka manampy azy hitombo ao anatin’ny fifampizarana. Amin’izay dia ny olona mihitsy no ho lasa « voan-dalana », ireo izay nampifanatoninao tamin’ny namany satria ianao no nitondra azy tany amin’izay tokony halehany. Ny voan-dalana dia ny tsikitsikiny, ny fisaorany (ampianaro izy hahay misaotra !), ny fahasambarany fa tody soa aman-tsara. Ny voan-dalana dia ianao nalala-tanana, nahari-pery rehefa nisy ny tsy nampoizina, rehefa voatery niova lalana ianao mba ho azo antoka kokoa ny fahatongavan’ny mpandeha any amin’izay alehany. Ary farany, ny voan-dalana dia ny irony fikarakarana madinidinika rehetra ataonao maimaim-poana, tsy iandrasanao valiny afa-tsy ny hafalian’ireo izay nanaovanao azy. Afafazo be dia be ireny voa madiniky ny hamoram-panahy ireny, afafazo eny amin’ny lalana rehetra alehanao, amin’izay dia samy hahazo daholo ny olona rehetra, dia hihinana ary hihatsara kokoa. Satria, fantaronao, fa misy zavatra tsy azo vidiam-bola eo amin’ny fiainana. Anisan’izany ny fifankatiavana sy ny faniriana ara-drariny. Raha ataonao marina ao amin’ny asanao ny fonao manontolo dia mainka koa hahafatifaty maha te hijery sy hilenodenoka mampilendalenda ireny voankazo ireny. »
Liana sy variana i Lila mihaino ny teny feno fahendrena aloaky ny vava sy ny fon’ny renibeny. Tsapany ho miara-mitempo amin’ny fon’ny renibeny ny fony. Tamin’izay izy dia nanome toky azy fa fa tsy hiala amin’ilay nofinofiny, hanohy ny diany am-pahatokiana ary tsy hivily amin’ny lalana mankany amin’ny tanjona kendreny.
Voavoatra ilay kodiarana, niakatra tao anaty takisiborosy indray izahay. Tafapetrak’i « Bebe » tao am-poko ny nofinofin’i Lila. Ao an-tsaiko foana ankehitriny, isaky ny misy dia alehako, i Lila sy ny zazavavy malagasy rehetra. Mba ho azony atao ve indray andro any ny hanana fikasana toy itony ka hanatanteraka azy ? Ekena fa miankina amin’ny zava-misy ara-politika sy ara-toekarena ny ampahany amin’ny hoavin’izy ireo, nefa io hoaviny io dia miankina koa amin’ny fahasahiany sy ny fitokisana apetraky ny havany aminy.
Hatramin’izao aho aloha dia mbola tsy nahita an’i Lila namily ny takisiborosiny, nefa aho mipetraka aty Madagasikara. Mandeha tsy tapaka amin’ny lalam-pirenena sy ny lalan-tany madinidinka aty afovoan-tany aho. Indreny ny bisy fa mbola mandeha ihany. Marina fa asa mampidi-doza, fa iza no mahalala sao indray andro any mba ny vehivavy no handray ny familiana ka hitondra ny olona eny amin’ny lalan’ny fifampizarana sy ny fifampihainoana, lalana ahafahana miala amin’ny arabe feno lavadavaka lalina manemitra ny lalana malagasy ?
Christelle Seguenot
© La Ferme malgache